Etats-Unis : Renim-pianakaviana iray no maty noho loza nateraky ny « tapis roulant »
Renim-pianakaviana manan-janaka efatra i Delrie Rosario, 36 taona. Nanao fanatanjahatena tao amin’ny toerana iray voatokana amin’izany tao Kent ao Washington ny tenany andro vitsivitsy lasa izao saingy niafara tamin’ny loza izany.
Sendra niazakazaka teo ambony « tapis roulant » io renim-pianakaviana io no niahaingana tampoka izany ka nianjera ny tenany ary voadoana mafy teo amin’ny lohany. Ireo olona niara-nikoatra taminy no namonjy azy haingana hatramin’ny nahatongavan’ireo mpamonjy voina. Raha ny fanazavana dia tsy nandray andraikitra ireo tompon’andraikitry ny toerana fikotranana.
Rehefa tonga tany amin’ny hopitaly kosa i Delrie Rosario dia namoy ny ainy. Raha ny fantatra dia mamelona irery ny zanany izy ary nanao asa roa mba hamelomana azy ireo. Nomena olona kosa ny taovany raha ny fanamafisana ary nahavonjy ain’olona dimy izany.
