ActualitésTatitra

Maurice : Nahitana « hippocampe tyro » tao amin’ny faritanin’ny nosy

Tany amin’ny taona 1990 no nahitana soavalin-dranomasina « tyro » farany tao amin’ny ranomasin’i Seychelles. Voasambotra maty nefa io biby io ka noheverin’ny vondrom-piarahamonina siantifika iraisam-pirenena ho lany tamingana ka nosokajian’ny UICN (Union internationale pour la conservation de la nature) tao anatin’izany vondrona biby lany tamingana izany.

Ny volana novambra 2022 teo nefa dia « plongeur » iray antsoina hoe Visham Bungsee no nahita io karazana soavalin-dranomasina io indray tao avaratry ny nosy Maurice nandritra ny fitsangatsanganana nataony. Tsy voamarika nefa izany fahitany izany raha tsy nandinika akaiky ny sariny ilay mpitsabo biby sady « plongeuse » Dr Jill Fritz.

Manoloana izany dia nanao fikarohana niaraka tamin’ny « oceanarium mauricien Odysseo » ny tenany namantarana sy hiarovana ireo soavalin-dranomasina ireo.

Laisser un commentaire