ActualitésSocialTsidika

Ankadikely Ilafy: Hanolotra “Fêtes foraine special vacances 2023” ny kaominina

Hisy ny hetsika « fêtes foraine spécial vacances 2023 » izay atolotry ny kaominina Ankadikely Ilafy isam-pokontany manomboka rahampitso zoma 04 aogositra 2023. Ny fokontany Ilafy sy Antsapandrano no hisantarana izany hetsika izany, araka ny voalaza.

«Hanomboka ny 04, 05, 06 Aogositra 2023 ho avy izao dia hisy ny « Fête Foraine Spécial Vacances 2023 » izay karakarain’ny kaominina sy ny fokontany 18. Ka ny Fokontany Belanitra, Ilafy ary Antsampandrano no hisy izany hetsika izany voalohany ary hitohy any amin’ireo fokontany hafa indray izany ao aorian’ny daty voalaza etsy ambony » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Ampifaliana no hanolorana izany ho anao koa manasa ny rehetra ho tonga maro fa kilalao sy fety isan-karazany no hita mandritra izany hetsika izany, miampy ny manezy sy soavaly hazo izay efa mahazatra ny rehetra » hoy hatrany ny fanazavana.

Fotoana iray ahafahan’ny rehetra miala voly ao anatin’izao fialan-tsasatra izao, na ho an’ny mpianakavy na ny mpinamana ny hetsika tahaka izao. Ny kaominina ao an-toerana ihany koa izay tsy mitsahatra ny manao ezaka ho fanomezana fahafam-po ny mponina ao aminy.

Manitra R.

Laisser un commentaire