Tsidika

Ankadimbahoaka :  Fiara mpitatitra iray no nivadika

Fiara fitateram-bahoaka iray no nivadika tetsy Ankadimbahoaka omaly 31 Jolay. Araka ny fanazavana dia vokatry ny fandehanana mafy sy fisongonana no nahatonga ny loza. Tsy nisy ny aina nafoy saingy ny fiara kosa no nahitana fahasimbana maromaro.

“  Nisongona kamiao   izy io  fa tsy nomen’ilay kamiao  lalana. Arakaraky ny tsy nanomezana lalana azy anefa no nampiakarany ny hafainaganam-pandehany mba hisongona hatrany. Tsy voafehiny intsony ny familiana rehefa nisy fiara hafa hifanena aminy izay voatery nahatonga azy hivily  hiala ilay fiara. Ny niafarany dia izao nivadika izao.” Hoy ny nanatri-maso.

“Eto an-danan-dehibe isika no miasa sy mitondra fiara, misy ny fenitra arahina amin’izany fa tsy hitovy ny eny amin’ny lalam-pirenena akory. Aoka hitandrina fa ain’olona no entina amin’ny maha mpamily fiara fitanteram-bahoaka. Izay tongasoa ihany no arahabaina.” Hoy  ny mpandrindra  ny fifamoivoizana.

Ilaina dia ilaina tokoa ny fitandremana amin’ny fitondrana fiara ety andrenivohitra vokatry ny fahateren’ny lalana sy  ny fahamaroan’ny mpampiasa lalana. Hita eny an-dalana eny avokoa ny karazam-pitanterana rehetra toy ny fiara, ny moto, ny bisikleta ary ny sarety tanana raha ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra no resahina. Tsy misy anefa ny lamina manokana sy toerana manokana natokana ho an’ireny karazam-pitanterana ireny ka zary miaraka eny daholo. Miteraka fikorontanana eo amin’ny fifamoivoizana izany rehetra izany  ary manampy azy eo ihany koa ny fahamaroan’ny mpivarotra eny amoron-dalana izay mampiasan ny lalana tokony ampiasain’ny mpandeha an-tongotra.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire