Maurice : Hihena hatramin’ny volana oktobra ny vidin’ny legioma
Nahitam-pihenana ny vidin’ny legioma ao amin’ny nosy Maurice. Raha manodidina ny RS 30 hatramin’ny Rs 35 (3 400 Ar) teo ny karaoty teo aloha dia nilatsaka ho Rs 15 (2900 Ar) hatramin’ny Rs 25 izany ary vokatra maro no nahitana fihenam-bidy toy izany. Ny vidin’ny kôkômbra (Rs 60 hatramin’ny Rs 75), ny « Lalo » na « Gambo » (Rs 100 hatramin’ny Rs 120) ary ny « Margoze » (Rs 50 à Rs 60) kosa no mbola tsy nisy fihenana.
Raha nny faanazavan’i Sanjeev Dindyal, filohan’ny Centrewest Small Planters Association nefa dia mbola ambony ireo sanda ireo raha noharina tamin’ny taona lasa. Antony fetra hoy izany no mahatonga izany. Voalohany ny sandan’ny famokarana mianga any amin’ny vidin’ny masomboly, zezika, ody bibikely sns ; faharoa ny tsy fahampian’ny mpiasa, ka mihavitsy ny voly sy ny jinja ; fahatelo ny fikorontanan’ny toetrandro ary fahaefatra ny fahanteran’ireo mpamboly saingy tsy misy mpandimby.
Ny fihenan’ny vokatra noho izany dia mampiakatra ny vidiny. Hihatra hatramin’ny volana oktobra kosa io fihenanm-bidy io raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra.
