Etats-Unis : Tovovavy iray no nanarama olona hamono ny zanany 3 taona
Tovovavy 18 taona, antsoina hoe Jazmin Paez monina ao Miami ao Floride no nanarama olona namono ny zanany 3 taona. Raha ny fanazavana dia nanao fikarohana tamin’ny Internet io vehivavy io ary sendra tranonkala iray ahitana olona miasa mamono olona (tueurs à gage). Manoloana izany dia nanarama iray tamin’ireo olona ireo namono ilay zanany 3 taona izy.
Fantatra nefa fa sandoka ilay tranonkala, i Robert Innes no namorona azy mba nifandrihana ireo olona miasa mamono olona ireo indrindra. Raha ny fanazavan’i Robert Innes dia maharay hafatra maro isan’andro izy tao ambadik’io tranonkala io ary nampandre ny manam-pahefana tao Miami. Tsy nino azy nefa ireto farany saingy nitondra porofo i Robert Innes ka natao velam-pandrina.
Polisy iray no nisandoka ho « tueurs à gage », nihaona tamin’i Jazmin Paez izay nikasa nanarama ilay polisy 3 000 dollars. Nosamborina avy hatrany io tovovavy io noho izany ary efa misokatra ny fanadihadiana manoloana ny antony io fihetsika nataony io.
