ActualitésSportTsidika

Alasora: Hosokafana amin’ny Alahady ny “Tournoi du Maire 2023”

Amin’ny alahady 23 jolay 2023 izao no hosokafana amin’ny fomba ofisialy, eny amin’ny kianja Est Mahazoarivo, ny fifaninanana lalao baolina kitra « tournoi du Maire 2023 », ao amin’ny kaominina Alasora. Hisy lalao hifanatrehan’ireo ekipa avy fokontany sahady no hisantantra izany, araka ny voalaza.

“Tahaka ny fanao isan-taona, hanomboka  ny fifaninanana amin’ny alahady izao. Hanentanana ny rehetra na ny ekipa mpilalao isam-pokontany na ireo mpanohana ho vonona hatrany. Hanomboka amin’ny 12 ora ny lalao hatao eny an-toerana” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Hisaorana ny tomponandraikitra amin’ny fanentanana sahady ny lalao satria tena ilain’ny tanora amin’izao fotoana ny fivelarana amin’ny sehatra hafa, indrindra ny fanatanjahan-tena. Fotoam-pialan-tsasatra izao ka hialana amin’ireo mety fironana amin’ny zavatra hafa dia mety tokoa izao hetsika izao” hoy i Patrice, mpitarika tanora.

Anisan’ny sehatra iray mivoatra ary tsy ataon’ireo tomponandraikitra ambanin-javatra ny fanatanjahan-tena sy ny tanora, raha ao amin’ny kaominina Alasora. Ny baolina kitra izany sady mampiray no manome vahana ireo tanora, hisokatra sy hampivoatra hatrany ny talenta sy fahaiza-manao any anatiny.

Raha misy lahatsoratra tianao ho avoaka eto amin’ny site, azonao atao ny manoratra amin’ny « gazety.tsidika.avaradrano@gmail.com »

Manitra R.

Laisser un commentaire