Ny tsara ho fantatra mahakasika ny tsy fanjarian-tsakafo.
Voaresaka matetika ny tsy fahampian-tsakafo mianjady amin’ireo vahoaka any amin’ny Faritra Atsimon’i Madagasikara saingy ny tsy fantatry ny maro dia tsy vitsy an’isa ihany koa ireo izay tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ny tsy fanjaraian-tsakafo dia tsy miankina fotsiny ihany amin’ny fatran’ny sakafo izay ho hanina fa indrindra ihany koa ny kalitao sy ny singa entiny any amin’ny vatana. Raha ny salan’isa dia ambony ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo aty an-tanan-dehibe vokatry ny fisian’ireo vokatra ara-tsakafo maro samihafa mitobaka eny an-tsena .
Aretina maro no ateraky ny tsy fanjarian-tsakafo ka anisan’izany ny : fahangezahan’,ny vatana mihoatra ny tokony ho izy, ny olan’ny fo, ny olan’ny tosi-drà , ny diabeta ary ihany koa ny homamiadana. Hita araka izany fa mitera-doza ho an’ny fahasalamana ny mihinana sakafo tsy zarizary.
“ Maro amin-tsika no mihevitra fa ny tsy fahampian-tsakafo ihany no olana sy tsy mahasalama. Tsara ho fantatr’isika rehetra anefa fa tsy ny voky sy ny misakafo matsiro no salama fa izay misakafo ara-pahasalamana. Ny vatantsika dia mitaky otrikaina maromaro mba hampasalama azy sy ahafahan’ny taova rehetra manao ny asany araka ny tokony ho izy ka ilaina jerena ny mikasika izany. Miroborobo ankehitriny ny vokatra maro amin’ireny atsoina hoe “Fast Food” ireny , ilaina fitandremana ny fihinana azy satria mitondra tsiro izy ireny fa tsy mitondra fahasalamana loatra ary tsy mamaly ny filan’ny vatana raha resaka otrikaina no jerena. Tsy midika anefa izany fa poizina izy ireny fa anjarantsika tsirairay avy no mandanjalanja ny sakafo tokony sy tsy tokony ho hanina. Averiko ihany anefa fa zava-dehibe ho an’ny vatana ny kalitaon’ny sakafo miditra ao aminy ka aoka tsy ho sodokan’ny tsiro fotsiny ihany.” Hoy ny nutritioniste.
“ Maro ireo marary tsaboinay no nahazo aretina vokatry ny fihinana sakafo tsy ara-dalana. Sodokan’ny tsiro isika ka tsy mijery intsony ny lafin’ny fahasalamana. Manampy trotraka rahateo ny rototom-piainana an-davananadro ka lasa vitan’ny sakafo maikamaika sisa ny fisakafoana. Sarobidy ny fahasalamana ka aoka samy hitandro izany ny tsirairay ka handajalanaja izay omena ny vatana. Ho fanampiana antsika dia ireto misy sakafo maromaro tsy tokony ho hanina be loatra sy matetika loatra mba hisorohana ny olana ara-tsakafo: ny Pizza, hamburger, ny zava-pisotro mamy ary ireny tsakitsaky voafono ireny.” Hoy ny mpitsabo
Fa efa misy ihany koa ny andro manera-tany amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ka ny faha-21 Jolay ho avy izao izany amin’ity taona ity. Ho fankalazana izany eto Antananarivo dia hisy ny fampianarana sy famelabelarana ary torohevitra manodidina izany eny amin’ny Pharmacie d’Isoraka ny androtr’io 21 Jolay io amin’ny 09ora maraina hatramin’ny 12h30.
Miranto Andrih
