ActualitésSocialTsidika

Ambohimanambola: Tambajotran-jiolahy mpamaky trano, saron’ny zandary

Tambajotran-jiolahy, mpamaky trano no tratran’ny zandary teo am-panaovana ny asa ratsiny, ny herinandro lasa teo, tao amin’ny fokontany Ambohibato, kaominina Ambohimanambola. Miisa efatra izy ireo, araka ny voalaza.

“Andro atoandron’ny alatsinainy 11 jolay no nikasa hamaky trano tao amin’ny fokontany Ambohibato ny iray tamin’izy ireo. Tamin’izany no nifanehitra tamin’ny fandalovan’ny kaomandin’ny poste teto an-toerana sy ireo namana mpiara-miasa, izay nanatanteraka ny fisafoana ka noraisina fotsiny” hoy ny avy amin’ny zandarimaria ao an-toerana.

“Rehefa natao ny famotorana azy dia notanisainy daholo ny halatra sy vaky trano efa nataony ary efa in-telo izy no namaky io trano saika hovakiany ka nahatratrarana azy io. Nolazainy daholo ihany koa ireo namany tamin’izany » hoy hatrany ny fanazavana.

Voambotra avokoa ireo namany telo lahy, araka izany, izay mipetraka amin’ny fokontany roa samihafa. Notonon’ity lehilahy tratra voalohany ho ekipa amin’ny vaky trano ataony avokoa moa izy ireo. Niakatra fitsarana ny raharaha ary samy voatazona am-ponja eny Antanimora avokoa izy ireo.

Manitra R.

Laisser un commentaire