SSMAF: Manomboka anio ny fifaninana amin’ny fakana sary
Ny fifaninana maka na fanaovana sary (concour photo) no hisantatra ny hetsika SSMAF amn’ity andiany fahatelo ity. Manomboka anio 17 jolay ka hatramin’ny faha 31 aogositra, dia malalaka sy misokatra amin’ireo mpanatalenta amin’ny fakana sary ny fifaninana.
“Tsotra ny fifaninana (concour Photo) na ny fomba filalao ao anatin’izany. Maka sary ireo mpaka sary ary sary maneho ny kolontsaina Malagasy no alaina. Aparitaka ao amin’ny rindrina pejy facebook BTC izany ary tononina ao anatin’izany ny #BTC, #BTC_Ambohimangakely sy/na #festival_ssmaf; ireo no fepetra takiana ka ireo betsaka “reactions” avy amin’ny mpikirakira tambajotra no hivoaka mpandresy” hoy i Hasina, tomponandraikitra ao amin’ny BTC.
Marihina moa fa mila misoratra anarana ireo izay te handray anjara ao anatin’izany fifaninanan izany. Tsy misy sokajy takiana manokana kosa fa afaka mandray anjara avokoa ny rehetra. Ity alefa eto ambany ity ny lien ahafahana misoratra anarana amin’izany.
Manitra R.
