Fizahantany eto Madagasikara : Hojerena manokana ny mikasika ny fitanterana an’abakabaka ho famelomana indray ny fizahantany
Nanao fanambarana mikasika ny zava-misy amin’ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara ny Tale mpanatanteraka eo anivon’ny federasionan’ny fizahantany eto Madagasikara nandritran’ny hetsika « Salon International du Tourisme » teny amin’ny CCI Ivato ny volana lasa teo. Nandritra izany no nanambarany fa efa miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny sehatry ny fizahantany eto amintsika.
« Efa mihamaro ireo famandrian-toerana voaray ho an’ny taona 2023 amin’ireo sidina mihazo an’i Madagasikara. Efa niverina ihany koa ireo kaompaniam-pitaterana avy any ivelany toy ny, Corsair, ny Qatar Airways sy ny Emirates » hoy ny fanambaran’ny tompon’andraikitra.
Nanazava ny tenany fa mba ahafahana mampiakatra haingana ny tahan’ny mpizahantany dia ilaina ny fanomezana alalana ireo kaompaniam-pitanterana an’abakabaka hiasa eto Madagasikara ary indrindra koa ampitomboinana isa ary ampanarahana ny fenitra iraisam-pirenena ireo seranana afaka mandray sidina eto Madagasikara.
Araka ny fanazavana dia ilana vahaolana haingana ireo olana mety ho sakana amin’ny fandraisana ireo mpizahantany eto Madagasikara. Efa hiditra amin’ny vanim-potoana maha betsaka mpizahantany isika izao ka tsy tokony hisy intsony ny fitavozavozana amin’ny fiatrehana izany.
Amin’ity taona ity tokoa i Madagasikara vao tena miverina indray amin’ny fandraisana sy fisokafana amin’ireo mpizahantany vahiny manerana izao tontolo izao taorian’ny valan’aretina covid-19.
Miranto Andrih
