Seychelles : Miverina miasa indray ny tohodrano ny La Gogue
Raha 1 tapitrisa metatra toratelo ny faratran’ny rano zakan’ny La Gogue teo aloha dia niampy 60% izany. Marihana fa io tohodrano io no loharanon’ny rano madio ho an’ny mponina ao Mahé afovoany sy avaratra. Efa 47 taona kosa no nisian’io tohodrano io ary niato nandritra ny 5 taona noho ny fanamboarana izany.
30 tapitrisa dollars no tetibola nanamboara io tohadrano io izay avy tamin’ny banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana ny 20 tapitrisa dollars. Nanomboka ny taona 2018 ny asa saingy noho ny fitokonan’ireo mpitondra fiara vaventy sy ny fisian’ny valan’aretina Covid-19 dia nisy fahatarana ny fahavitan’izany.
Efa tontosa ny herinandro lasa teo kosa ny lanonana ny famerenana ny fampiasana azy izay natrehin’ny filoha Wavel Ramkalawan sy ireo mpitondra fivavahana izay nitso-drano ny tohodrano.
