ActualitésTatitra

Maurice : Hisy ny dinika momba ny fanajariana ny tany ao amin’ny nosy Salomon sy Peros Banhos

Na dia vao manomboka aza ny « mission d’évaluation » ao amin’ny vondronosy Chagos dia efa mikasa ny hanomboka ny dinika momba ny fanajariana ny tany ao amin’ny nosy Salomon sy Peros Banhos sahady ny fitondram-panjakana. Teknisianina avy amin’ny minisitera sy sampan-draharaha samihafa no handrafitra ny delegasiona ofisialy maiaraka amin’ny solotenan’ivondronosy Chagos manoloana izany.

Tanjona ny fiomanana amin’ny famerenana ireo Chagossiens ao amin’ny vondronosy raha ny fanazavana. Mitaky fametrahana drafitra momba ny fanajariana ny tany, arahina fandalinana ary drafitra fanamboarana trano, lalana, sekoly, toeram-pivavahana ary foto-drafitrasa samihafa izany hoy ny mpitondra tenin’ny praiminisitra. Mila fotoana nefa izany dingana izany raha ny fanamafisana ka ny fandalinana ny soratany (topographie) no hanombohana izany.

Laisser un commentaire