Russie : Mpanao gazety iray no niaharan’ny herisetra tao Tchétchénie
Mpanao gazety mpanatsikafona (d’investigation) miasa ho an’ny Novaïa Gazeta i Elena Milachina. Nanao tatitra ny fikambanana Memorial, mpiaro ny zon’olombelona ao Russie fa niharan’ny herisetra niaraka tamin’ny mpisolovavan’i Alexander Nemov tao Tchétchénie ny tenany. Vao nigadona tao an-toerana ny tenany dia nisy nikasa namono. Antony ny fandrakofany ny didim-pitsarana manoloana an’i Zarema Moussaïeva, vadin’ilay mpanao didy jadona mpitantana ny toerana, Ramzan Kadyrov.
Olona nitam-piadiana kosa no nikasa nitifitra azy teny amin’ny lalana nampitohy ny seranam-piaramanidina sy ny rehivohitr’i Tchétchénie, Grozny. Rehefa nijanona ny fiara dia novonoina sy nodarohina ary norahonana ny tenany raha ny fanazavana. Mialà ny toerana ary aza manoratra na inona na inona hoy ireo jiolahy ireo sady nanambany basy azy teo amin’ny lohany raha ny nambarany.
Tapaka ny rantsan-tànan’i Elena Milachina ary tsy mahatsiaro tena matetika izy, nosolain’ireo mpanafika kosa ny lohany ary nolokony maitso ny tarehiny, feno manga ihany koa ny vatan’io mpanao gazety io ary efa manaraka fitsaboana izy. Tamin’ny taona 2022 dia efa voatery niala an’i Russie i Elena Milachina noho ny fandrahonan’i Ramzan Kadyrov Azy.
