Brésil : Voasazy handoa lamandy 3 tapitrisa Euros i Neymar
Voasazy handoa lamandy 3 tapitrisa Euros noho ny heloka bevava manoloana ny tontolo iainana ilay mpilalao baolina kitra malaza Neymar. Antony ny fananganana farihy artifisialy tsy nahazoana alalana ao amin’ny toeram-ponenany ao Mangaratiba izay voasokajy ho fanitsakitsahana ny tontolo iainana (violations environnementales) raha ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny filankevitra ao Mangaratiba.
Raha ny tatitra dia fandikan-dalàna am-polony no nodikain’io mpilalao baolina kitra io tao anatin’izany : ny tsy fahazoan-dalana, ny fitrandrahana rano avy amin’ny renirano antsokosoko, ny fanesorana ny tany, ny fanongotana zava-maniry ny nahazoana alalana sns. Raha ny fantatra dia namorona tora-pasika tsy nahazoana alalana avy amin’ny tompon’andraikitra ihany koa i Neymar.
Manana 20 andro kosa i Neymar handoavany io vola io. Marihana fa nisy ihany koa ireo nitory an’io mpilalao baolina kitra io manoloana io tranga io.
