Tsidika

Afrique’s Business Heroes : Matina Razafimahefa, mpanorina ny SAYNA, Malagasy tokana hiatrika ny dingana farany

Ny Afrique’s Business Heroes dia  fifaninana karakarain’ilay mpandraharaha sinoa  Jack Ma . Tany am-piandohana dia nahatratra 27267 isa ireo mpifaninana ary amin’izao dingana farany izao dia miisa 50 izy ireo. Tafiditra ho isany hiatrika izany dingana farany izany i  Matina Razafimahefa mpanorina ny SAYNA.

Teo amin’ny faha 19 taonany i Matina no nanangana ny Sayna tamin’ny alalan’ny Crowdfunding tamin’ny 2018. Efa nanofana tanora maro teo amin’ny sehatry ny nomerika ny Sayna ary mikendry ny hampivelatra ny asany hatrany araka ny fanazavany.

“Maro tokoa ny mpifaninana ary samy naneho izay tena nampiavaka azy nandresena lahatra ny mpitsara. Rehareha ho an’ny SAYNA ny fiatrehana ity dingana farany ity satria sady fifaninana ity no koa hampiseho fa misy mpandraharaha Malagasy afaka mifaninana sy tsy mena-mitaha amin’ny mpandraharaha vahiny erak’izao tontolo izao aty Madagasikara”. Hoy ny avy ao amin’ny SAYNA

“Amporisihina sy tohanana hatrany ny tanora  mpandraharaha toa an-dRamatoa kely Matina izao. Mila olona maro toa azy isika fa izy aloha no fantatra sy hita dia arahabaina ary mirary soa azy mba ahazo ny toerana mendrika indrindra . Hitondra avo ny voninahim-pirenena ary koa hisondrotra hatrany amin’ny asa fandraharana”. Hoy i Clovis mpandraharaha.

 Fifaninana anisany lehibe ity fifaninana Afrique’d Business ity ka azo antoka ny maha matihanina ny SAYNA antony nahatongavany  amin’izao dingana izao.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire