Tsidika

Rovan’i Madagasikara:  Mahatsiaro ho voahilika ireo mpisera-dia mitondra mpizahantany ao

Maro ireo mpisera-dia avy eto an-toerana no velon-taraina amin’ny tsy fanajana ny zon’izy ireo amin’ny maha mpisera-dia azy rehefa mitondra mpizahan-tany ao amin’ny Rovan’ i Manjakamiadana. Raha ny nambaran’izy ireo dia takian’ireo tompon’andraikitra ao saram-pidirana mitovy ny mpitsidika rehetra ihany izy ireo , ity fihetska ity raha ny nambaran’izy ireo dia tsy mifanaraka amin’ny zo maha mpisera-dia azy ireo. Etsy an-danin’zay dia mbola nanamafy izy ireo fa rarana tsy hanazava na inona na inona amin’ireo mpitsidika izay entiny izy  ireo, eny fa na dia mametraka fanontaniana aza ireo mpitsidika entina.

Ny avy amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina kosa etsy an-daniny dia nanambara fa maro ny fitarainana voarain’izy ireo mahakasika ny fisian’ny mpisera-dia tsy nahazo alalana anefa mangataka vola be mihoatra ny tokkony ho izy any amin’ireo mpitsidika entiny.

Nanamafy ihany koa ity Ministera ity fa ny Ofisin’ny Rovan’i Madagasikara (ORMada) dia tsy mbola nanome alalana mpisera-dia hiara hiasa amin’ity Rova ity. Ny ORMada anefa no tompon’andraikitra voalohany misahana ity Rova ity.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire