ActualitésTatitra

La Réunion : Efa miomana amin’ny fandraisana ireo mpiala sasatra ny nosy

Efa miomana amin’ny fandraisana mpiala sasatra maro ny seranam-piaramanidin’i La Réunion Roland Garros eo anelanelan’ny volana jolay sy aogositra. Raha ny fanazavan’izy ireo dia efa miditra amin’ny herinandro farany ny taom-pianarana ireo mpianatra ka heverina manomboka ny 8 jolay izao dia hifanitsa-kitro ireo mpiala sasatra ho avy ao amin’ny nosy.

Manoloana ny tranga dia nanamafy ny rafitra fandraisany sy ny ekipany ny seranana. Raha tsy arak’izy ireo ny mety fifamezivezena ao amin’ny seranana dia nametraka ny rafitra Forte Affluence izy ireo hoy ny tompon’andraikitra. Entina hanamorana ny dian’ny mpandeha izany raha ny fanazavana. Amin’ny 4 ora sy sasany maraina dia efa misokatra ny serananana, ferana ho an’ireo mpandeha ihany ny « zone enregistrement », hampitomboana ny fitaovana sy ny mpiasa ary ny mpitandro ny filaminana hanamora ny fidiran’ny mpiala sasatra sns…

Laisser un commentaire