Japon : Mivadika mena ny rano ao Okinawa noho ny orinasa mpamokatra labiera iray
Nivady mena nanomboka ny herinandro lasa teo ny rano ao amin’ny nosy Okinawa sy ny helodranon’ny seranana mifanolo-bodirindrina aminy. Raha ny fanazavana dia orinasa mpamokatra labiera iray ao an-toerana no niteraka io fanovana io. Ny « propylène glycol » nivoaka avy ao amin’ny orinasa no niteraka izany raha ny fanamafisan’ny tompon’andraikitry ny orinasa Orion Breweries.
Nilaza kosa ity farany fa tsy misy fiatraikany amin’ny fahasalamana io fiovan’ny lokon’ny rano io. Niala tsiny ihany koa ny tenany ary nanazava fa mety ny ranon’orana no nitondra io akora io tao anatin’ny rano ka nampiova ny lokony.
Raha ny tokony ho izy fa manga kristalina ny io rano ao amin’ny nosy io ary toerana malaza sy fanaovan’ny maro « plongée sous-marine ». Noho izany dia mahafaly ny mponina ny mahalala fa loko tsy mitera-doza io nampiova ny lokon’ny rano io.
