CAN Bras de Fer: Medaly volavotsy 3 sy medaly volamena 1 azontsika Malagasy
Nigadona teny Ivato ny 26 Jona lasa teo I Sitraka ny solon-tenan’i Madagasikara niatrika ny fifaninanana CAN Bras de Fer. Medaly volafotsy 3 sy Medaly volamena 1 no azony nandritra ity fifaninanana iraisam-pirenena ity.
Nanambara ny federasionina mpikarakara fa taranja iray efa manana ny toerany ity taranja ity eto Madagasikara. Efa maro ihany koa ireo Malagasy tanora lahy sy vavy no liana ny amin’ny fanaovana azy ity.
“Tsy nitsanga-menatra nanoloana ny ekipam-pirenena hafa isika tany,efa tsara ny vokatra. Fa na izany na tsy izany mbola afaka manana toerana tsara kokoa noho ireny isika.” Hoy ny mpanazatra Malagasy iray.
Tsy dia fantatry ny be sy ny maro loatra ny nahakasika ity fifaninana ity raha tsy izao mpilalao efa tonga eto an-tanindrazana izao. Ny fanohanan’ny ministera mpiahy ny federasionina no tena ilaina ahafahan’ny mpilalao eto an-toerana mivelatra amin’ny sehatra lehibe kokoa raha ny fanazavana hatrany.
Miranto Andrih
