Maurice : Nividy fiaramanidina « Airbus A350 » telo vaovao ny nosy
Nividy « Airbus A 350 » telo ireo mpitantana ny orinasa Air Mauritius nandritra ny « salon international de l’aéronautique » tao Bourget. Vola 850 tapitrisa dollars no navoakan’izy ireo tamin’izany. Marihana nefa fa mbola tsy tomombana tanteraka io orinasam-pianamanidina io manoloana ny valan’aretina saingy manohy ny hezany amin’ny paikady fanitarana mankany Europe sy Asie.
Manana 5 amin’ny Airbus A 350 ny nosy Maurice. Mazaka mpandeha 326 isa miaraka amin’ny « classe affaires » izay misy seza afaka mivadika fandriana sy « classe économique » izany. Afaka misidina mandritra ny 20 ora tsy an-kiato ihany koa izany. Ankoatra an’i Maurice kosa dia orinasa ao Inde low-cost iray ihany koa no nanao « commande » fiaramanidina A320 500 isa tamin’ny orinasa mpamokatra izany ao Euroepe nandritra ny fampirantiana tao Bourget.
