ActualitésTatitra

Brésil : Lehilahy iray no namono ankizy efatra tamin’ny famaky tao amin’ny toeram-pitaizana zaza iray

Lehilahy iray no tonga nirimorimo tamin’ny kodiaran-droa nakao amin’ny toeram-pitaizana zaza iray tao Blumenau, ao atsimon’i Brésil ny alarobia teo. Nitsambikinan’io lehilahy io ny fefin’ny toerana ary namely famaky ankizy efatra tao amin’izany izy. Namoy ny ainy avy hatrany ireo zaza ireo ary ankizy efatra hafa ihany koa naratra vokatry ny herisetra nataon’io lehilahy io.

Nitonon-tena tany amin’ny manan-pahefana kosa ity farany taorian’ny tranga. Fantatra fa lehilahy ao 25 taona monja antsoina hoe Luiz Henrique de Lima io nahavanon-doza io ary efa tsy vaovao amin’ireo polisy intsony izy noho ny fandikan-dalàna efatra efa nisamborana azy. Efa voasambotra noho ny fifandirana tao anaty toeram-pandihizana izy ny taona 2016, nitsatok’antsy ny raikeliny kosa ny tenany ny taona 2021, voarohirohy tamin’ny raharaha fitananana zava-mahadomelina ny taona volana jolay 2022 ary nandroba ny tranon’ny raikeliny ny volana desambra 2022.

Tsy mbola fantatra mazava ny anton’io fihetsika nataon’i Luiz Henrique de Lima tao Blumenau io. Efa eo am-pelanan-tanan’ny manam-pahefana kosa ny raharaha.

Laisser un commentaire