ActualitésTatitra

La Réunion : Hanomboka ny 7 jolay izao ny fetin’ny sosety

Manana fety manokana ny sosety ao La Réunion, antsoina hoe « fête du chouchou » izany. Manomboka ny 7 jolay hatramin’ny 9 jolay izao izany no hankalazaina ao Salazie, ao Hell-bourg. Marihana fa efa andiany faha-18 ity lanonana ity.

Mandritra ireo 3 andro fankalazana ireo dia hisy hetsika maro hotontosaina. Hisy ny fampirantiana ataon’ireo mpamokatra sosety sy legioma amin’ny ankapobeny ary ny trano heva samihafa ahitana sakafo. Hisy ihany koa ny « fete foraine », fampisehoana iarahana amin’ireo mpanankanto ao an-toerana raha ny fanazavana.

Isany hampiavana ity andiany ity kosa ny fifaninanana mahandro sakafo sy ny ny fifidianana Miss Salazie raha ny fanamafisana.

Laisser un commentaire