Dépêche 14h00 22 Juin- Fankalazana ny fetim-pirenena : efa vonona ireo afomanga
Andro vitsy tsy higadonan’ny 25 sy 26 Jona izay anakalazan’ny Malagasy ny fetim-pirenena isika izao, efa vonona sy mipetrapetraka araka ny tokony izy noho izany ireo afomanga izay ho alefa ho jeren’ny vahoaka ny 25 Jona etsy Anosy. Tompon’andraikitra maro no miara misalaha amin’ny fikarakarana ny afomanga amin’izao fotoana izao.
