SocialTsidika

Ampiasaina hatramin’ny zazakely ahitana vola.

Roa andro no tsy nahitana ilay zaza 11 volana tany Sambaina Mamjakandriana raha nanomboka ny Alarobia 17 martsa.  Niaraka tamin’ny mpitaiza azy ity zaza ity kanjo tsy niverina intsony. Tompon’antoka araka izany ity mpitaiza ity ka tsy ho afa-bela amin’ny raharaha. Niezahana nantsoina anefa izy saingy tsy naharenesam-baovao. Nitaky vola anefa ireo mpangalatra ny zaza ka napetraka feno tamin’ny zandarimaria ny tohin’ny tantara. Betsaka ireo nanolo-tanana noho ny antso avo nataon’ny zandarimaria sy ny fianakaviana ka hita soa aman-tsara ihany izy ny zoma 19 martsa. Na zaza avy aza amin’izao no ampiasaina ahazahoana vola, tsy zaka intsony ve ny fahantrana ? Samia mailo amin’ny ratsy fa tsy kely lalana izy ireny. Ampahafataro ny mpitandro filaminana hatrany ny olana fa andraikitr’izy ireo indrindra ny miaro antsika sy ny fananantsika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire