ActualitésTatitra

France : Vehivavy roa mpifankatia no namono lehilahy iray tao Calvados

Notsaraina omaly alarobia manoloana ny famonoana an’i Marco Lesueur, 49 taona i Johanna Dolmy, 33 taona sy ny olo-tiany Cataline Regnier, 32 taona. Tamin’ny taona 2019 ireo vehivavy ireo no tonga tao Trouville-sur-Mer, Calvados ary niasa tamin’ny toeram-pisakafoana kely iray. I Marco Lesueur kosa no nampiantrano azy ireo tao amin’ny 33 rue Victor-Hugo.

Marihana mpampanofa trano io lehilahy io. Indray andro nefa dia nanomboka nifandray bebe kokoa tamin’io mpampanofa trano io ny iray tamin’ireo vehivavy ireo. Tsy nakasitraka izany moa ilay vehivavy iray hafa ka raikitra ny fifandirana ary niafara tamin’ny famonoana an’i Marco Lesueur izany.

Niverina nifampiaro nefa i Johanna Dolmy sy Cataline Regnier ka namono an’ity farany. Notsatohan’izy ireo ny antsy in-21 izy ary nokapohany ny lapoaly. Manoloana ny tranga kosa dia heverina fa higadra 30 taona ireo vehivavy ireo.

Laisser un commentaire