Fanatanjahantena: Mbola matoky an’I Rakoul ny mpanazatrany
Diso ny filazana fa ho tapaka ny fifanarahana amin’I Koloina Randrianaivo na I Rakoul sy ny Mouloudia Club d’Alger. Mbola matoky azy ny mpanazatrany na dia eo aza ireo lesoka sasany mila harenina. Mbola manana fotoana malalaka izy hanehoana ny fahaizany. Niray saina tamin’ny mpanazatra izany ihany koa ny Filohan’ny CFFA izay klioba nihavian’i Rakool.
“Gasy tsy mahazaka namana roso no manely sy mikendry ny hiverenan’i Rakool eto Madagasikara sy handrava ny nofinofiny. Mbola misy fepetra maromaro arahina ihany koa vao afaka manatsahatra ny fifanarahana amin’ny mpilalao iray ny klioba”, hoy ny Filohan’ny CFFA, Klioba nihavian’I Rakoul.
Mbola mitohy araka izany ny fiarahamiasan’ny roa tonta. Mbola misitraka ny karama sy ireo tombontsoa tokony ho azy ao amin’io Klioba io I Rakoul.
“Tsy tokony halemena ny sain’ireo mpilalao any ivelany ireo fa ny famporisihana azy hanome ny tsara kokoa hatrany no tokony himasoana. Mbola lavitra ny lalana holalovany ary mbola afaka mampiakatra ny niveau misy azy hatrany izy”, hoy hatrany ny fanazavana.
Marihina fa 3 taona no fifanarahana tamin’I Rakoul sy ny Mouloudia Club d’Alger. Marihina anefa fa mahazo kiana mafy hatrany I Rakoul any Alger amin’izao fotoana izao. Efa tsy dia manantena azy ihany koa anefa ny Filohan’ny Klioba misy azy. Izany no ilaina ny fanohanantsika tsirairay. Alefa Rakoul
Miora Raharisolo
