ActualitésTsidika

Hetsika : Trano eva miisa 60 atokana ho an’ireo mpankafy kodiaran-droa

Hotanterahina eny amin’ny CCI Ivato ny 9 hatramin’ny 11 jona izao ny hetsika ara-kolontsaina ho an’ireo mpankafy kodiaran-droa. Ho an’ireo mpitia ity sehatra ity ihany izy io satria na ny anarany aza dia natao hoe « Motoshow ». Hisy trano eva miisa 60 no homanin’ireo mpikarakara amin’izany. Ny tena anton’izany moa dia ny hampivondronana mpisehatra farany izay betsaka indrindra amin’ity sehatra ny moto ity.

« Ahitana mpanafatra moto, mpivarotra, mpanamboatra fitaovana sy akora, fa koa ireo klioba, fikambanana ary vondrona mpankafy môtô izay maro be no hameno ireo stands miisa 60 ireo. Samy ahazo izay tadiaviny sy ilainy avokoa ny mpitsidika araka izanyizay efa afaka miomana sahady amin’ny fividianana raha manana ny efa nomanina ho amin’izany », hoy i Rija Ratsimbazafy avy ao amin’ny Carré bleu, mpikarakara ny hetsika.

« Tsy ho ampy ho an’ireo mpankafy moto ireo fotsiny ny fisian’ny stands fa hisy ihany koa ireo activités maro samihafa. Lohalaharana amin’izany ohatra ny Super Enduro Challenge izay hotanterahina eo amin’ny CCI ihany handraisan’ireo efa manam-pahaizana anjara amin’izany. Hisy ihany koa ny fampidirana sahady ny fahaizana moto amin’ny ankizy kely izay ho tonga hanatrika », hoy hatrany ny fanazavana.

Ho feno tanetaraka ny fotoana. Hahita fahafaham-po ihany koa ny mpankafy kodiaran-droa. Etsy andaniny tsy miala alavitra amin’izany fankafizana izany ny fiarovana ny aina ka ho hita eny an-toerana avokoa izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire