ActualitésTatitra

La Réunion : Namiratra ny ekipan’ny nosy nandritra ny fiadiana ho tompondakan’ny lomano ara-javakanto ho an’ny tanora tao France

Notontosaina ny 21 hatramin’ny 27 ny volana may teo tao Nantes ny fiadiana ho tompondakan’ny lomano ara-javakanto ho an’ny tanora tao France. Maro ireo solotenan’ny nosy La Réunion nandray anjara tamin’izany ary maro ihany koa ireo nahazo ny tompon-daka.

Mpilomano vehivavy 13 sy lehilahy iray tao amin’ny ekipa « Sirènes de l’Ouest natation artistiques » no nahazo ny Laharana faharoa amin’ny fifaninanam-pirenena, ary laharana voalohany tamin’ny « ballet highlight ». Lehilahy mpilomano iray antsoina hoe Esteban Collet kosa no nahazo ny fiadiana ho tompon-daka aminyny seho mandeha irery. Vehivavy iray, Léonie Plunian ihany koa no tonga laharana faha-14 tamin’ny mpifaninana 230 nandritra ny lomano « solo ».

Mirehereha manoloana io vokatra tsara azo io kosa ny klioba Sirènes de l’Ouest natation artistiques raha ny voalazan’ny tompon’andraikitra.

Laisser un commentaire