SocialTsidika

Inona ny zava-misy marina amin’ireo mpiasa malagasy any Arabie Saoudite ?

Fanehoan-kevitra maro no nivoaka taorian’iny fandevenana an’i Melanie, ilay Malagasy maty tany Arabie Saoudite ka nalevina tany an-toerana. Maro no nanome tsiny ny ambasady any an-toerana noho ny tsy fandraisan’izy ireo andraikitra nanoloana ny tsy fanajana ny razana ka nalevina tamim-pomba nampalahelo ny malagasy tokoa. Betsaka anefa ny olana misy any amin’io toerana io, eo ihany koa ny fahamaizan’ny Malagasy hiasa any ivelany noho ny tsy fahampian’ny asa eto ka manao izay fomba rehetra ivoahana. Betsaka ny Malagasy tsy manana taratasy ara-dalàna any an-toerana ka na ny fisian’izy ireo aza tsy fantatry ny Ambassady akory. Misy ny mody mandeha any Comores ary any vao mitady hevitra andeha ho any Arabie Saoudite, eo ihany koa ny mangalatra ny mombamomba ny olona iray fa ny sary ihany no atao mifanaraka. Anisan’izany i Melanie izay maty ny volana septambra lasa teo raha nianjera teny amin’ny rihana faharoa ny trano nisy azy. Niasa tany Jubail, izay 400 km miala ny Riyadh, izy. vaky nandositra izy ka izao maty izao raha tonga nanao fisavana ny polisy ny amin’ireo olona tsy ara-dalàna. Izy maty io vao fantatry ny masoivoho any an-toerana ny fisiany. Najanona tao amin’ny efitra fitahirizana faty izy nandritra izay volana vitsivitsy izay noho ny fangatahan’ny masoivoho malagasy any fa tena sarotra tokoa ny fampodiana ny razana aty Madagasikara satria mila manana 16 tapitrisa Ariary eoeo isaky ny maty vao ampy. Ity maty ity rahateo efa tsy ao anatin’ny fifanarahana tamin’ny mpampiasa azy intsony ka tsy niantoka ny fampodiana azy ny mpampiasa azy. Tsy nanaiky ny hitahiry ny razana intsony ry zareo Saoudianina ka izao nalevina tamin’ny fomban’izy ireo izao. Toy ireny tokoa mantsy ny fandevenana olona any an-toerana ary tsy maintsy manaraka ny fombany amin’ny maha any an-tanin’olona azy. Ny any rahateo tsy tany demokratika fa mbola fanjakana didi-jadona ka tsy maintsy manaiky izay baikon’ny silamo. Efa betsaka ireo faty Malagasy any an-toerana noho izay fahasarotana amin’ny fampodiana ny razana izay. Inona izany ny vahaolana ? Tokony hamafisina araka izany ny fanaraha-maso ny fandehanan’ireo vehivavy malagasy mivoaka any ivelany. Na dia efa eo aza ny lalàna mandrara izany dia mbola mahita hevitra foana izy ireo ka tokony hisy araka izany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Malagasy sy ny firenena hafa lalovan’izy ireo mba hanakanana azy. Tsy hodian-tsy hita ihany koa ny kolikoly miodidina ao anatin’izany, indrindra amin’ny fanaovana ireo antotan-taratasy izay tokony hanaovana fitsikilovana miafina. Araho hatrany ny lalàna mba hahafahan’ny fanjakana miaro antsika foana na aiza na aiza misy antsika.

Laisser un commentaire