Ambohimanambola: Niroso tamin’ny fanafoanana ireo toeram-panariam-pako ny service Raoka Fako
Niroso tamin’ny fanafoanana ireo toerana fanariana fako tsy ara-dalàna tao amin’ny fokontany Tanjonandriana ny Service Raoka fako, izay rafitra miandraikitra ny fitantanana ny fako ao amin’ny kaominina Ambohimanambola.
« Nandritra ny telo andro no nanaovana ny asa fanafoanana (éradiction) an’ireo toerana be fako sy mitoby loatra teto an-toerana. Nandritra izany ihany koa no nijerevana ireo sokajim-pako misy ahafahana manatsara ny tolotra » hoy ireo tomponandriakitra avy amin’ny service.
« Efa tena mety tokoa izao asa fisantarana izao ary fianatra sy fampianarana ny mponina ahay hanaja ny fahadiovana. Maro loatra ireo manao manao lalan-dririnina ka zatra manary fako etsy sy eroa ka loto sy fahasimban’ny tanàna no misongadina » hoy i Donné, mponina ao Tanjonandriana.
Dingana voalohany amin’ny fanatanterahana ny asan’ity rafitra ity moa izao fanafoanana sy ny fanadiovana ny tanàna izao. Ankoatra izay, efa mandeha ihany koa ny fanentanana isan-karazany mahakasika ity tolotra ity ao an-toerana
Manitra R.
