Dépêches

Menabe : Afaka hamboly ireo tompona tanimbary mirefy 450ha ao Manjakely

Dépêche 05 juin 13h, Anisan’ny sompitra ho an’ny faritrta Menabe ihany koa ireto tanimbary ao Manjakely ireto. Mirefy 450ha izany izay nahazoana tohana. Vita tanteraka ary efa am-perin’asa ny toho-drano ao an-toerana izay hanondraka ireo tanimbary ireo. Loharano maromaro no mamatsy io toho-drano io izay hositrahin’ny mpamboly 180 mahery. Tomponantoka tamin’ny fanatanterahana ny tetikasa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, tamin’ny alalan’ny fandaharanasa Formaprod. Ny ekipan’ny Foibem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana Menabe kosa no hanome tan-tsoroka tekinika ho an’ny tantsaha ho amin’ny famokarana mahomby.

Laisser un commentaire