Maurice : Ny fepetra mikasika ny sidina an’habakabaka.
Efa niditra tanteraka tamin’ny fihibohana i Maurice ary betsaka ireo fepetra noraisiny nandritra izany. Naato mandra-pahatongan’ny fiovan’ny toe-pahasalamaan nanomboka ny 11 Martsa ny sidina isan-kerinandro ao Maurice. Ny kaompaniam-pitanterana an’habakabaka Air Mauritius sy Emirates no nandray io fepetra io. Manomboka entitra amin’ny fanajana ireo lamina ara-pahasalamana napetraka i Maurice amin’izao andiany faharoa amin’ny valanaretina coronavirus izao hoy ny Ministeran’ny raharaham-bahiny, ny alarobia 17 martsa lasa teo. Entanina araka izany ireo teratany Maorisianina ivelan’ny faritanin’i Maurice mba hijanona any amin’ny firenena misy azy avy aloha no sady hitandrina tsara ny fahasalamana. Eo ihany koa ireo teratany Maorisianina mpivezivezy mba hifandray tsara amin’ireo masoivohom-pitaterana ka hanararaotra izay fotoana ahafahana mivezivezy.
