ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Ho ametrahana mpiambina ireo vy mitondra herinaratra

Nahazo vahana ny trangana halatra vy amin’ireo pylones mitondra herinaratra mahery vaika an’ny orinasa Jirama tato ho ato. Ny herinandro lasa teo no nisehoan’izany teo anelanelan’Ambohimanambola sy Tana Nord.

« Nanapa-kevitra ny orinasa jirama fa hametraka olona hiambina ireny fitaovam-pitaterana herinaratra ireny, manomboka izao. Natao izany mba hisorohana ny fihitaran’ny fahavoazana » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny Jirama.

« Ao anatin’izany ihany koa dia manentana ny rehetra hatrany mba hitoroka, eny amin’ireo masoivoho jirama na iantso ny laharana 547, na eny amin’ny manam-pahefana raha misy ny trangana halatra na fahasimban’ny fitaovana famatsiana herinaratra ireny na rano izany » hoy hatrany ny fanazavana.

Mahatonga ny fikorontanana eo amin’ny famatsiana jiro sy rano ho an’ny rehetra ny fahaverezan’ny fitaovana toa izao ary miteraka fatiantoka ho an’ny orinasa jirama ihany koa. Efa nahatratra 126 ny fahaverezam-by teo amin’ny orinasa ary andalam-panoloana izany izy ireo ankehitriny.

Manitra R.

Laisser un commentaire