SocialTsidika

Inona no tokony hatao manoloana ireny mpangarom-paosy ireny ?

Miparitaka izay tsy izy ireo mpangarom-paosy eto Antananarivo. Saika efa fantatra endrika avokoa aza ny an-kamaroany saingy tsy hay izay atao. Mangarona kitapo eny an-dalana amim-pahanginana sy tsy re tsaika no tena hamatarana azy. Indraindray aza tatahany amin’ny antsy mihitsy ny kitapo. Tsy mandry saina ny olona na hianatra na hiasa na hiantsena fa matahotra sao voaharona ny kitapo, poketra, harona. Tonga hatrany anaty fiara fitateram-bahoaka mihitsy aza izy ireo ka mandroba izay eo akaikiny. Maro ireo mitaraina sy ireo efa niharan’izany asa ratsy izany ary manomboka mahana sy malina ny vahoaka mpandeha. Heverina ho mpangarom-paosy avokoa izay eo akaiky satria mody manao ankajo mihaja izy ireo izay tsy ampoizina ho mpangalatra mihitsy. Misy olona kendreny mialoha ary iny foana no arahiny, misy kosa ireo anaty fiara vao mitilitily izay ho haza. Inona no tokony ho atao?  Ireo mpanampy ny mpamily aza efa mahay azy ireny mihitsy fa saingy matahotra ny valifatin’ireto mpangalatra ka mangina. Misy amin’izy ireny mantsy no tsy mitsitsy fa mahavita manindrona antsy mihitsy aza. Hipetra-potsiny tsy handray fepetra ve ny fanjakana manoloana izany ? Inona no vahaolana  maharitra hanafongarana azy ireny ? Miaina anaty tebiteby manko ny vahoaka. Tokony hisy ve ny sehatra manokana mpihaza azy ireny ?

Nicole Rafalimananjara 

Laisser un commentaire