Ambohimanambola: Mitohy ny fanentanana amin’ny fanajana ny fahadiovana
Mitohy hatrany ny fanentanana amin’ny fanajana ny fahadiovana ataon’ny avy ao amin’ny service Raoka fako ao amin’ny fokontany Gara, Ambohimanambola. Mirotsaka an-tsehatra manara-maso isaky ny faritra ireo polisin’ny raoka fako ao anatin’izany.
« Mbola misy ireo lakan-drano tsentsin’ny fako ao amin’ny faritra sasany ao amin’ny fokontany gara. Manara-maso ary manentana ny mponina hatrany anefa ny polisy amin’ny tsy tokony hanariana ny fako eny rehetra eny » hoy ny avy amin’ny service Raoka fako.
« Fitaratra ho an’ny mponina ny fandraisana andraikitra amin’ny fanalana ireo fako tahaka izao. Hisaorana ny servisy amin’ny ezaka izay ataon’izy ireo satria hita nisy fivoarana ny lafin’ny fahadiovana teto amin’ny fokontany.
Olana maro no hateraky ny fako, manentsina tatatra, mandoto ny tanàna ary mahatonga fofona ratsy ho an’ny tontolo manodidina. Anisan’ny vahaolana amin’ny fitantanana ny fako moa no antom-pisian’ny service Raoka fako, izay maka ireo fako ventiny isan-tokatrano.
Manitra R.
