Zava-mahadomelina : Tokony misy lalàna hamaizana ireo mpanaparitaka sy mpanjifa ireny
Dépêche 03 mai, 11h, Anisan’ny miteraka olana maro be amin’izao fotoana izao ny fisian’ny fanjifana ireny zava-mahadomelina isan-karazany ireny. Malaza amin’izao fotoana izao ny fitsindromana « rôrô » na ny « héroine » izay tena mahery vaika. Araka izany dia tokony hisy ny lalàna mafy manafay ireny mpidoroka ireny sy ireo mpanaparitaka hoy Razanamahasoa Christine, filohan’ny Antenimiera-mpirenena. Tsy ireo mpisitraka irery ihany anefa no fototry ny olana fa eo ihany koa ireo mpanparitaka. Ireto farany ireto mihitsy no tokony hokarohina sy hofongarina hahafahana manalma ny tanora maro izay voafehin’izany. Marihina fa efa misy ny mpitsabo afaka manala amin’ny fiankinan-doha amin’io rongony io ary azo tsaboina tsara izy io.
