Ny fahasalamana no voalohan-karena.
Ny fahasalamana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka ary tsy hanavahana sokajin-taona, izany no teny entina hanatanterahana ireo tetik’asam-pahasalamana eto Madagasikara. Ny ministeran’ny fahasalamana no tompon’andraikitra voalohany indrindra amin’ny fahasalamana indrindra amin’ny fisian’izao valan’aretina izao. Nisy ireo fanamasifana ny rafi-pahasalamana nataon’izy ireo ; isan’izany ny fampitaovana ny faritra Betsiboka sy ny faritra Boeny ny faran’ny herinandro lasa teo. Tsy nijanona hatreo anefa izany fa nitohy hatrany amin’ny faritra Itasy sy Bongolava ny Alatsinainy 15 martsa lasa teo. Nahazo fitaovana hanatsarana ny fitsaboana any an-toerana izy ireo toy ny fiara fitaterana marary sy fitaovana informatika isan-karazany isan’izany ny solosaina, « imprimante », ary « vidéo projecteur ». Tonga tany tany Arivonimamo nanatitra ireo fitaovana ireo ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka Rakotovao Hanitrala Jean Louis sy ireo delegasiona niaraka taminy. Olomboafidy sy manampahefana sivily sy miaramila maro no tonga nanotrona azy nandritra izao diany izao. Tsara tokoa ny ezaka satria manafaingana ny famonjena ireo marary lavitra ny hôpitaly izany sady ihany koa manamora ny serasera eo amin’ny toeram-pitsaboana.
Nicole Rafalimananjara
