France : Miady ho an’ny zaza tsy ampy taona ny antenimieram-pirenena.
Ho enjanina ny lalàna mifehy ny herisetra ara-nofo atao amin’ireo zaza tsy ampy taona ao Frantsa, hoy ny antenimieram-pirenena ao an-toerana. Ny alatsinainy 15 martsa teo no nanaovana ny fanambarana nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety tao an-toerana. Averina fakafakana manomboka amin’ny 4 ora folak’andro ny volavolan-dalàna natolotry ny Sénat manoloana io tranga io. Sazy manodidina ny 300 voarakitra ao amin’io làlana io ihany koa no mbola ho dinihin’ireo solombavam-bahoaka miaraka. Aharitra 3 andro arak’izany ny ady hevitra manoloana ireo lalàna rehetra mifehy ny herisetra ara-nofo. Mifandray amin’ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena frantsay Emmanuel Macron tamin’ny fiandohan’ny taona 2021 ity fanapahan-kevitra ity hoy ny teo anivon’ny antenimieram-pirenena. Mila mandray andraikitra hoy izy manoloana ny fiakaran’ny tahan’ny fanaovana herisetra ara-nofo ao Frantsa amin’izao fotoana. Napetraka ho 15 taona ny salan-taona ambany indrindra raha ao an-toerana. Andrasana arak’izany izay ho valin’ny fivoriana.
