SocialTsidika

Fanamparampahefana ataon’ny mpitandro filaminana.

Andro iraisam-pirenena natokana hanoherana ny herisetra ataon’ireo mpitandro filaminana ny 15 martsa. Tany Eoropa no niatombohan’ny hetsika, ny 15 martsa 1997. Inona tokoa no manosika ny mpitandro filaminana hanao izany herisetra amin’ny vahoaka izany ? Ny vahoaka izay tanam-polo ka atody miady amam-bato ihany izy ireo. Hiaro ny vahoaka sy ny fananany anefa no tena andraikitr’izy ireo. Zary toa lasa fanampenam-bava ny vahoaka ny basy sy ireo fitaovana ananan’ny polisy toy ny tranga maro izay efa nisy teto Madagasikara nandritra ny fihetsiketsehana maro. Miseho amin’ny endriny samihafa izany hery famoretana ataon’ny mpitandro filaminana izany. Azo sokajiana anatin’izany ny tranga teny Ankadinondribe Faravohitra kaominina Ambatofahavalo. Nanao fitakiana, antanampolo ny amin’ireo mpidrandraka fasika eny amin’ny tananàny ny vahoaka tao an-toerana. Niditra an-tsehatra anefa ny mpitandro filaminana nanajanona ny hetsika. Hiresaka sy hangataka ny fialan’ireo mpitrandraka no anton-dian’ireto mponina any Ambatofahavalo, ny tompon’andraikitra amin’ny fitrandrahana sy ny solontenam-panjakana any an-toerana no tiany horesahana mivantana. Manimba ny fambolena sy ny fefiloha ity fitrandrahana ity hoy ny mponina. Antony nanaovan’izy ireo ny fangatahana. Poa-basy sy fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso anefa no nitranga ny sabotsy 13 martsa lasa teo nentina nanaparitahana ireo tantsaha. Tokony izay mihitsy ve no nataon’ny mpitandro filaminana amin’ny maha mpiaro ny vahoaka sy ny fananany azy ireo ?  Efa ara-dalàna anefa ny fitrandrahana ary tsy misy fiatraikany amin’ny tontolo iainam-bahoaka hoy ny ben’ny tanàna, Rasoloarisoa Augustin. Nahoana anefa no mitaraina mafy ireto tantsaha ireto? Nisy ihany koa ny voatazona tany amin’ny polisy taorian’ny hetsika. Iza no tokony hamaha ny olany sy hanampy azy ireo ?

Nicole Rafalamananjara

Laisser un commentaire