Torohevitra: Ny fomba atao hiarovana ny tarehy amin’ny loto sy fahasimban’ny hoditra
Anisan’ny marefo dia marefo ny hodi-tava. Mila karakaraina manokana izy io mba hialana amin’ny fahasimban’ny hodi-tava ka mahatonga ireny tasy na mangana amin’ny tarehy ireny. Tokony hikarakara tarehy avokoa na ny lehilahy na ny vehivavy, indrindra fa amin’izao vanim-potoana mahamay dia mahamay izao, tsara arovana amin’ny masoandro sy ny rivotra maloto ny hodi-tava.
Maro ireo fomba tsotsotra azo atao hiarovana ny tarehy. Voalohany amin’izany, ireo efa voalaza etsy ambony, ny fiarovana ny tarehy amin’ny taratry ny masoandro. Anisan’ny manimba ny tarehy, mampikentrona ny hodi-tava ary mana-maina ny tarehy ny taratry ny masoandro. Tsy tokony hadinoina araka izany satroka, rehefa hivoaka ny trano amin’izao fotoana izao.
Ny tokony hatao manaraka izany ihany koa dia ny mihinana ireo sakafo ara-pasalamana natoraly, izany hoe ireo voankazo sy legioma no tokony hatao betsaka rehefa misakafo. Ankoatra izay, ny fisotroana rano, izay tsy tokony hatao ambanin-javatra amin’izao fotoana mahamay izao.
Farany, raha mahazatra ny manositrositra ireo vokatra fikarakarana vatana, tsara kokoa raha vokatra natoraly no ahosotra amin’ny tarehy. Toa ny fampiasana, voatabia, ny vahona, ny ronono. Samy mitondra voka-tsoa avokoa ireo akora ireo.
Tsara marihina, fa tsy tokony hanasa tarehy mihoatra ny indroa isanandro. Anisan’ny manala ny menaka natoraly amin’ny hodi-tava ny fanasana tarehy matetika ka mampakafoka azy.
