SocialTatitra

Maurice : Betsaka ireo tsy manaja ny fepetra

Efa averimberina ombieny ombieny ireo toro marika mikasika ny fisorohana ny Covid-19 ao Maurice amin’izao. Mbola misy foana anefa ireo olona be di-doha ka tsy manara-dalàna. Nanomboka ny Alarobia 10 martsa ka hatramin’ny Zoma 12 martsa teo izao, olona 252 no tratra tsy nanara-dalàna tany an-toerana. Ny 209 tamin’izy ireo no nampanantsoin’ny « Breach Temporary Curfew » ary ny 43 kosa no tratra tsy nanao aro vava orona. Nambara ny Alakamisy 11 martsa lasa teo manko fa 71 ny lamandy tratra noho ny tsy fanajana ny « couvre-feu » ary 17 lamandy no tsy nanao aro vava orona. Misy ny lamandy araka izany hoy ny tompon’andraikitra ka toy izao ; Rs 500 000 (Ar 47 000 000) na figadrana tsy mihoatra ny telo taona ho an’ny tsy manaja ny « couvre-feu », Rs 500 000 na figadrana tsy mihoatra ny roa taona ho an’ireo tsy manao aro vava orona.

Laisser un commentaire