Dépêches

Fandriam-pahalemana: Nizarana laharana tokony antsoina ireo mpanao cash point raha sendra jiolahy

Tsidika 30 mars, 11h, Nidina ifotony ireo mpitandro filaminana ary nizara ny laharana ahazoana azy ireo raha sendra fanafihan-jiolahy ireo mpanao cash point. Natomboka teny amin’ny boriborin-tany fahatelo izany fidinana ifotony izany. Marihina moa fa nkoatra izany dia efa misy ny paikady izay napetrak’ireto mpitandro filaminana ireto hiadiana amin’izany jiolahy izany. Namafisin’izy ireo ihany koa ny fanidiana ny trano ho mafy satria ny ratsy tsy kely lalana. Etsy andaniny anefa tokony mametraka fomba iray manokana hahafahana mampafantatra ny mpitandro filaminana eon oho eo ny zava-misy izy ireo hialana amin’ny hoe efa lasa ireo jiolahy vao hiantso ny laharana.

Laisser un commentaire