Alasora : Mbola mitohy ny fahatapahan-dalana eny amin’ny By-pass
Mitohy ny fanamboarana ny lalana mampitohy ny amin’ny faritry ny By-pass Alasora sy Ankadimbahoaka, amin’izao fotoana izao. Mbola ao anatin’ny famitana tanteraka ny asa (finition) ireo tomponandraikitra misahana ny fanamboarana izany, raha ny voalaza.
« Ao anatin’ny ezaka famitana ny asa ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao ary efa eo am-panaovana ny asa famarana (finition) ny orinasa. Hiverina hisokatra amin’ity herinandro ity ny ampahan-dalana amin’izany » hoy ny avy amin’ny ministeran’ny asa vaventy.
« Ela amin’ny fanamboarana ihany ireo tomponandraikitra raha ny fe-potoana nomen’izy ireo hamitana ny asa no jerena. Ilaina be ny ezaka avy amin’izy ireo fa ny vokatry ny tohamboivoy amin’izao efa misy fiantraikany lehibe amin’ny fiainana andavanandron’ny olona, indrindra ny fihitaran’ireo lalana simba » hoy i Mioty, mpianatra amin’ny ambaratonga ambony.
Raha ny fampahafatantrana nomen’ny avy ao amin’ny ministera tokoa dia tokony tamin’ny alahady 26 martsa teo no nisokatra ity lalana ity. Miandry ny hahavitan’izany tanteraka araka izany ny mponina, indrindra fa ny mpampiasa io lalana io.
Manitra R.
