Japon : Nanao hetsika hahatsiarovana ny loza voajanahary telo nisy tao aminy
Folo taona lasa izay, nisy horohoron-tany sy tsunami ary lozam-pifamoivoizana nokleary namely an’I Japon. Nahafaty sy naharatrana olona maherin’ny 18 500 teo ho eo izany. Mandritran’ny lanonana hataon’ny fanjakana sy ny tsy miankina maromaro no nahatsiarovana sy nanomezana voninahitra an’ireo niharam-boina. Ny 11 martsa 2011 mantsy no nisian’io loza mahatsiravina telo sosona io tao Japon. Nampihorohoro ny eran-tany rehetra moa ity tranga ity tamin’izany fotoana izany. Notsiahivina ny alakamisy 11 martsa 2021 ireo olona tsy hita popoka sy maty. Vokatry ny lozam-pifamoivoizana nokleary tamin’izany mantsy, voatery niala tamin’ny trano fonenany ny olona an’aliny maro. Io no lozam-pifamoivoizana nokleary ratsy indrindra tao Japon.
