SocialTsidika

Mila vahaolana ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo.

Miantso vonjy sy mangataka fanampiana lehibe amin’ny olona rehetra tsy ankanavaka ny any Atsimon’i Madagasikara indrindra fa amin’ny fanjakana. Betsaka ireo efa nanampy kanefa mbola tsy hita izay vahaolana maharitra hatreto. Iharan’ny haintany mafy noho ny tsy fisian’ny orana manko izy ireo ka na ny hanina ho hanina aza tsy zarizary na tena tsy misy mihitsy aza. Raha ny tokony ho izy anefa sakafo ampy sy voalanjalanja no tena ilain’ny vatan’olombelona. Inona no vahaolana ? Ny zoma 12 martsa teo, nandeha ifotony tany an-toerana i Mialy Rajoelina, niaraka tamin’ireo delegasiona mpiara-dia azy. Sady hisolontena ny fanjakana no hisolontena ny fikambanana Fitia izay tantaniny izy nandritra izany. Hijery ireo toerana afaka hanorenana ozinina fanodinana fanampian-tsakafo ara-pahasalamana sy be otrik’aina « Nutriset » ho an’ny ankizy no anton’ny dia. Ao Taolagnaro no vinavinaina ho hanorenana azy ary hatramin’ny 500 t no hovokarina mandritra ny taona. Tena ilaina tokoa ve izany manoloana ny tsy fisian’ny sakafo hohanina sy ny tsy fanjarian-tsakafo any ? Vahaolana maharitra no tena ilain’ny mponina mba hahafehezana ny hai-tany ka afaka mivelona ara-dalana ny vahoaka any Atsimo. Anisan’ny mamaha ny olana ve ity ozinina kasaina hahorina ity ? Hahasehaka ny vahoaka hiajadian’ny hanoanana tokoa ve izany indrindra ny zaza ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire