Institut IISS: Sivy taona nihorenana, manolotra zavatra tsara hatrany.
Tsy miova ny sehatra afaka harahina ao amin’ity Toeram-pampianarana ambony IISS ity fa mbola ireo sehatra dimy ihany. Misy fiovana sy fanavaozana kosa anefa ireo rafi-papianarana izay manaraka ny filàn’ny tsenan’asa sy ny filàn’ny mpianatra tsirairay.
“Ireo sehatra rehetra dia tsy nisy niala fa mbola ao hatrany, “mention communication et société”, ny “mention science économique”, ny « mention Management de Projet », ny « mention Gygiène, sécurité-environnement et Technologie » ary ny « mention Business Administration ». Ny lafiny samihafa amin’ny pedagojia sy ny votoatin’ny fiofanana mihitsy kosa no nasiam-panavaozana hahafahan’ny mpianatra mahazo ny filàn’ny tsenan’ny asa », hoy i Liva Razanajafy, tompon’andraikitra ao anivon’ny IISS.
Sivo taona no niforonany ary efa nahazoany traikefa maro izany. Araka izany dia io vanim-potoana io dia namela ny Institute International Social Sciences (IISS) hamolavola fomba fiasa pedagojika vaovao samy mamaly izany fivoarana izany, amin’ny filàn’ny mpianatra maniry ny hanohy ny fianarany ambony sy ny filan’ny tsenan’ny asa. Raha tsiahivina ny asan’ny orinasa IISS izay fampianarana ambony di any hampiofana ireo sangany ho amin’ny rahampitso, hampiofana ireo mpiasa hitondra fanovana ho an’ny firenena an-dalam-pandrosoana toa an’i Madagasikara. Hoy hatrany ny fanazavana.
Araka izany ity taom-pianarana 2023 ity ho an’ny IISS dia fomba fiasa vaovao hitondrana soa ho an’ny tanora hampiroborobo azy ireo amin’ny lafiny fahombiazana sy ny fampidirana matihanina azy ireo. Marihina fa efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny fidirana amin’ny taona faha-efatra na ny Master.
Miora Raharisolo
