Arabie Saoudite : Nametraka fitoriana ny solontenan’i Maurice.
Nametraka fitoriana tany amin’ny paositry ny polisy any Rose-Hill (Maurice) i Showkutally Soodhun izay ambasadaoron’i Maurice any Arabie Saoudite ny alarobia 10 martsa tokony ho tamin’ny 2:48 tolakandro. Nanazava izy nandritra izany fa nanomboka ny volana Janoary tamin’ny taon-dasa izy no solontenan’i Maurice tao amin’ity firenena vahiny ity ary tamin’ny 9 Janoary no niverina tany Maurice izy. Nahazo antso tany amin’ny namany izy ny alarobia teo fa misy filaza tsy marina momba azy miparitaka ao amin’ny aterineto. Nisy niampanga tao amin’ny tambajotra izy izay nilaza fa tsy nanatanteraka ny fepetra takiana amin’ny “quarantaine” na fitokana-monina i Showkutally Soodhun rehefa nody tany Maurice. Izany no antony nanapahan’ity Ministra teo aloha ity hevitra fa hitory ny raharaha any amin’ny polisy. Efa manomboka ny fanadihadiana momba ity raharaha ity izay sahanin’ny “breach of Information and Communication Technologies Act”.
