Maurice : Mitohy hatrany ny fanaovam-baksiny ny mponina.
Nanambara ny Ministry ny fahasalamana ny 10 martsa fa haverina amin’ny herinandro ambony indray ny fanaovam-baksiny izay natomboka tamin’ny alatsinainy teo. Etsy an-kilany, mikasa ny hanao fizaham-pahasalamana faobe ny minisitera amin’ny efatra andro sisa amin’ity herinandro ity izany hoe ny alakamisy ka hatramin’ny alahady. Mila mitady hevitra amin’ny fanisana ireo voakasikin’ ny tsimok’aretina tany amin’ny nosy izy ireo satria mbola betsaka ny tranga tsy hita any amin’ny faritra sasany hoy hatrany ny Ministra. Ho fanampin’izany, nanazava ny Dr. Kailesh Jagutpal fa tsy maintsy misy ny fanaovam-bakisiny manomboka ny 15 Martsa ho avy izao satria efa vaksiny 50 000 no vita hatreto. Tamin’ireo 200000 dôzy nomen’ny AstraZeneca / Covidshield, 150000 sisa no ambiny fa amin’ny faran’ny volana kosa no hahazahoana 100,000 dôzina vaksiny hafa nafarana tany India.
