Tatitra

La Réunion : Fatim-behivavy roa no hita.

Vehivavy roa no hita faty ny 10 martsa tany La Réunion tao Saint Joseph. Toerana mangingina sy tsy dia be mpandalo no nahitana ny fatin’izy ireo. Olona telo akaiky ny iray amin’ireto maty ireto no hahiahiana ho nahavanon-doza ary arahi-maso akaiky amin’izao. Rangahy antitra 85 taona izay mpampianatra ny anakiray amin’izy ireo. Efa eo an-dalam-pizahana ny razana ny mpitsabo hahafantarana ny tena nahazo ireto vehivavy ireto marina. Ary nanao fanambarana mihitsy aza ny ben’ny tanàna any an-toerana fa ny tanànan’i Saint Louis iray manontolo mihitsy no tsy mandry fahalemana amin’izao. Mitohy hatrany ny fanadihadihana amin’ity raharaha ity.

Laisser un commentaire